Rakotovazaha Olivier : "Mampangidy hoditra i Sylla"

Nohamafisin-dRakotovazaha Olivier, mpikambana ao aminíny birao pŰlitikaníny Mfm, omaly tao aminíny Aceem Radio, fa mampangidy hoditra ny Filoha Ravalomanana ny Praiministra Sylla.
Notsindriany koa fa fitondrana tetezamita no nisy teto Madagasikara ny taona 2002, satria ny nifanarahana tany Dakar dia ny fampandrosoana ny fotoana anaovana ny fifidianana solombavambahoaka no toy ny fihodinana faharoa taminíny fifidianana filoham-pirenena.
Momba ny famotsoran-keloka aminíny raharaha 2002 moa dia navoitraníity ministry ny fitaterana teo aloha ity fa ilaina izy io, saingy ankinina aminíny fitsarana ny fanatanterahana izany. Ho aníny Mfm dia "amnistie des actes et des faits" no heveriny fa mahasoa ny firenena.
Raha eo aminíny lafiny fanaovan-dalana dia nambarany fa raha 8000 km ny lalana voarakotra tara taminíny Repoblika voalohany teto Madagasikara, dia na izay efa vita taminíizany fotoana aza tsy vitaníny fitondrana ankehitriny ny tena fanarenana azy fa mbola maro ny potika, ary ao ny tsy azo andehanana intsony.

Ralay

gdi 10/10/2005