Rakotovazaha Olivier (MFM) :

GDI 21/08/2003

« TSY MARINA NY VOALAZAN’Atoa RAKOTONIRAINY GERMAIN"

Ho valin’ny lahatsoratra: « Tsy voatsodranon’ny MFM i Manandafy sy Rakotovazaha Olivier », tao amin’ny « La Gazette de la Grande Ile », tamin’ny Alarobia 20 Aogositra 2003, mitatitra ny voalazan’Atoa Germain Rakotonirainy tao amin’ny Radio Antsiva (naverina imbetsaka).
Dia voninahitra ho ahy Rakotovazaha Olivier, izay voatonona ao anatin’io lahatsoratra io, ny manome izao valin-teny manaraka izao, sady zo rahateo ny manao izany. Iangaviako mba tsy hisy hanombinana ny tiako ho lazaina amin’ity lahatsoratra ity, ho fanajana ny zoko.
Voarakitra anaty fehinkevitra misoratra daholo ny fanapahankevitry ny antoko MFM, na tamin’ny VOVONANA 2001 (Oktobra 2001), na ny fanambarana fanohanana ny Kandidà RAVALOMANANA tamin’ny 02 Novambra 2001, na tamin’ny VOVONANA 2002 (Aogositra 2002).
Koa ambarako fa tsy marina ny filazan’Atoa Germain Rakotonirainy fa « voahitsakitsaka ny fifanarahana nifanaovanay MFM tamin’ny Filoha Ravalomanana »
Izany fanambarana izany, dia hevitr’Atoa Germain Rakotonirainy samy irery, fa tsy nierany tamin’ny antoko, ary tsy mifanaraka amin’ny fehinkevitry ny VOVONANA 2001, na 2002.
Azoko atao ny manome anareo an’ireo fehinkevitra ireo raha ilaina izany.


Antananarivo 20 Aogositra 2003
RAKOTOVAZAHA Olivier