TAMBATRA Amoron'ny Mania - Fanambarana :

Androany sabotsy faha-12 Aogositra, taona 2006, rehefa natao ny fifanakalozan-kevitra, nandritra ny fihaonambe nanasana ireo solontena avy amin’ny kaominina miisa 55 ato amin’ny Faritra amoron’i Mania.


Ka nihenoana ireo solontena ireo mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, dia nahatsapa ny mpizaika fa :
1° Mihamahantra ny vahoaka malagasy ary anisan’izany ny vahoakan’Amoron’i Mania ;
2° Mirongatra ny tsy fandriampahalemana na an-tanandehibe na ambanivohitra ;
3° Rava ny fihavanana malagasy nohon’ny fizarazarana ara-pôlitika nampiharina teto amin’ny firenena ;
4° Tandindonin-doza ny ho avin’ny taranaka malagasy vokatry ny kiandranandrana teto amin’ny firenena ;
5° Tandindonin’ny ady an-trano ny firenena.
Noho ireo antony voalaza ireo, ny Fikambanana Tambatra, faritra Amoron’i Mania, dia manao izao fanambarana miezinezina izao :
Mangataka an’Andriamatoa Pety Rakotoniaina, Filoha nasiônalin’ny Tambatra, mba hilatsaka ho filohampirenena amin’ny fifidianana izay hatao ny 3 desambra 2006 ho avy izao.
 
Ny mpandrindra isam-paritra :
 
Faritra Ambositra : R. Désiré, Ramahafeno, Ravelojaona
 
Faritra Imadiala : Ralaidovison Zézé, Rajaonarivelo Casimir, Rakotomalala
 
Faritra Fandriana : Ralaikoto Bernard, Ralaivaomandamina Rakotonirina Jean
 
Faritra Mandriana : Rabemiafara François Régis, Rakotondrainy Jean Paul, Andrianirina Jeannick Nelson
 
Faritra Ambatofinandrahana : Rakotondrasoa Andriamahefa, Rabemahafaliandrianina, Razanajatovo Alfred
 
Faritra Bemahazenona : Rakotosaona, Randrianirina David, Razafindrakotorahalahy Fidèle

Rédaction du GDI 4-08-2006