Tambatra-Pety Rakotoniaina : « Mbola tsy fotoana filazana na ho kandidà na tsia izao »
04-05-2006 / 11:07

Afaka 10 andro dia henika ny Tambatra i Toliara ary ny hanerana an’i Madagasikara iraimanontolo no tanjona, hoy ny Filoha mpanorina an’io fikambanana io Ing Pety Rakotoniaina.

Tsy misy faritany tsy misy Tambatra intsony, hoy izy, amin’izao fotoana izao ary ho an’izay mbola tsy henika izany dia efa mitsangana ny tompon’andraikitra hitarika ny fikambanana. Raha tsahivina dia ny faritra avaratry ny Nosy no nandalovan’ny mpitarika ny fikambanana mialohan’ny Toliara. Nomarihin’ny Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa fa lasa aloha loatra raha izao ny filazana fa ho kandidà na tsia ny tenany na ny hoe hanolotra olona ho fidiana Filoham-pirenena ny Tambatra. Na ny datin’ny fifidianana aza, hoy izy, mbola tsy fantatra ka ahoana no ilazana sahady na ho isan’ny mpifaninana na tsia ? Notsahivin’Ing Pety Rakotoniaina fa sehatra hamondronana ny vahoaka hanitsiana ny fomba fanao tsy nety teo amin’ny fitantanana ny firenena ny fikambanana tarihiny. Mazava fa mifantoka amin’izay fomba fijery izay ny kabary pôlitika ataon’ny Filohany mandritra ny fitsidiham-paritra.

V. R.
©Gazetiko