Tambatry ny Nosy

 

Tsy fitaovan-dRavalo i Pety Rakotoniaina

 

L瀝ana iray tsy azo ialana ny fihaonana an-databatra boribory, satria tsy misy fampandrosoana azo tanterahana eto raha tsy voalamina ny olana ara-politika サ. Fanambarana hentitra nataon地y ben地y tan瀟an段 Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina, omaly, tany an-toerana io, raha nahita ny fiainam-bahoaka miha latsaka ao anatin地y fahantrana amin段zao fotoana izy.


    Ny olona izay mihevitra fa manana fahefana na haka fahefana amin地y fomba tsy demokratika, dia tsy hiteraka fandrosoana. Ka raha tena vonona isika fa hanao ny fampandrosoana dia tanteraho ny fifampidinihana, handraisan地y maro anjara. Ny tsy azo ekena dia ny filazan地y hafa fa ny mpitondra sy ny mpanohitra ihany no manao ny dinika, satria raha ny zava-misy, dia latsaka an-katerena ny Firenena. Manomboka kivy ny olona ary manahy ny hiverenan地y tamin地y taona 2002, satria ny Malagasy dia miandrandra fandrosoana, rariny raha mandray anjara amin段o ny rehetra. Raha miziriziry amin地y heviny ny fanjakana, dia tompon誕ndraikitra amin段zay miseho ry zareo.
    Nomelohin段ngahy ben地y tan瀟a ihany koa ny filazan地y filohan地y TIM Razoharimihaja, sy ny praiministra Sylla, fa tsy ilaina ny fifanatonana, ォ midika ho fampidirana amin地y kizo ny Firenena izany サ. Raha ireo asa maro tanisain地y mpitondra fa vitany ankehitriny, dia tsy misy tokony atahorany ny amin段o dinika io, hamoriana ny hery velona, ka izay tapaka eo no hitodrana ny tany sy ny fanjakana. ォ Tsy mamono antoka io, na dia hisy vola ho lanian地y fanjakana aza ao, raha tsy hoe hanao hala-bato angaha サ. Ny filoha Ravalomanana koa dia rariny raha mandray anjara amin地y ady hevitra, fa tsy solontena no alefa hanelanelana.


    
Fitaovan-Ravalo ny Tambatra


    Manoloana ny fananganana Tambatra manerana ny Nosy, izay toa miteraka resabe etsy sy eroa, dia notsipihan段ngahy Pety Rakotoniaina mazava : ォ ny olona mihevitra fa tsy tokony hisy korontana eto amintsika. Ilaina ny manana fomba fijery iraisan地y Malagasy hina, hisorohana ny fifandonan-dava eto. Koa ny tanjon地y Tambatra eo amin地y raharaham-pirenena dia ahafahan地y Malagasy tsy ankanavaka maneho ny heviny. Ny hevitra amin段zay no omen-danja, ary aoka tsy apetraka intsony ny filazana fa hevitra avy atsy io ka atao tsinontsinona サ. Aely ny loto isan-karazany fa ォ meriseneran-dRavalo サ ny Tambatra mba hampiasaina amin地y fifidianana. Diso io satria ォ raha voavidy vola teo anatrehan地y fitondrana nifanesy ny tenako, dia nijanona ho prezid瀟但ntananarivo Ravalo. Dadabeko Ralaimongo ka tsy hitondra tantara ratsy ho an段reo olona nitolona ho an地y tanindrazana aho. Aoka ho tsapan地y rehetra fa tsy mba niovaova hevitra aho tamin地y politika nataoko, fa ny foto-kevitro no nahalany ahy. Ary mbola tsy nisy fifidianana nandraisako anjara ka tsy nahavoafidy ahy, satria olon地y fanjakana hatrany no nifanandrina tamiko サ.


    Ratsiraka mandalo, Ravalomanana mandalo, fa i Pety mitoetra ka tsy azo vidiam-bola.


    
TIM Fanabeazana


    Mahamenatra raha ny fomba ratsy nataon-dRatsiraka no mbola averina amin段zao fotoana izao, amin地y fanerena ireo mpampianatra hiditra ao amin地y antoko iray. Hita taratra ireo ao amin地y Faritanin段 Fianarantsoa izay tsy maintsy miditra ao amin地y TIM Fanabeazana avokoa ny rehetra. Manakaiky tokoa ny fifidianana, ka ireo no entina handaniana ny kandid瀘-panjakana.


    Fa raha ny tontolon地y fampandrosoan地y kaominina any an-toerana kosa, dia voalaza fa tsy ampy ny vola amin地y fampandehan-draharaha ao Fianarantsoa. tsy mety raha ny mpitondra any an-tampony no mijery ny fampandrosoana, ka raha tsy iray antoko aminy na ihany koa mandadilady any, dia tsy mahazo avara-patana. ォ Aoka atao ara-drariny, hoy i Pety Rakotoniaina, ny fitsinjaram-pahefana. Ny ONG sy ny fiangonana no akaiky ny vahoaka, koa rariny raha miainga amin段reny ny tetika amin地y fiaraha-miasa eo amin地y lafiny rehetra サ.


    Ireo raha atao indray mibango ny resaka nifanaovana tamin地y ben地y tan瀟a ao Fianarantsoa I; ary tsy mbola nilaza ny heviny izy aloha, raha hilatsaka ho filoham-pirenena na tsia, fa ny maika izany aloha dia ny hirosoana amin段lay diniky ny olom-pirenena rehetra.

 

 Naivo kely

 

Madagascar Tribune 24/04/06