I - NY TANTARA NODIAVIN’NY TOLON’NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKATETO MADAGASIKARA
IZAY NO HERY.
SAINGY TSY TAFASONDROTRA MASI-MANDIDY TAMIN’ NY FITONDRANA NY TOLONA TETO AMIN’NY FIRENENA SY TANATIN’FIKAMBANANA, (SENDIKA, SY ANTOKO) :
IZANY NO HALEMENY.
4 - /NIHANAHAZ0 VAHANA NY FITARIHANA TOLONA NAMPAHA-OSA NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA
TAFASONDROTRA HO MASI-MANDIDY TETO AMIN’NY TANY SY NY FANJAKANA NY SARANGAN’NY GASY AMBONY MPIVAROTRA TANINDRAZANA PSD (1960)
5 - /FANJAKANA MANAMASINA NY SARANGAN’NY MPIVAROTRA TANINDRAZANA
SENDIKÀ SY ANTOKO TSY MIATRIKA ADIN-TSARANGA
SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA NIVAKIVAKY TAMIN’NY ADIN’AKOHOLAHY
AFAKA HISANDRATRA HO MASI-MANDIDY AMIN’NY ASAM-PITOLOMAN’NY ANTOKOM-PIAVOTANA SY NY SENDIKÀ ARY ETO MADAGASIKARA NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA SATRIA TAFAORINA NY MFM
TARI-DRESAKA
Nasongadin’ny Vovonana – III (Antananarivo 22-23 Sept.1979) ny foto-kevitra fa :
« NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA NO SARANGA MPITARI-TOLONA ».
Avy amin’ny famakafakana ny fijotran’ny tolom-piavotam-pirenena sy ny tolona ho amin’ny fanjakan’ny madinika teto Madagasikara sy tamin’ny firenen-kafa eran-tany izany.
Voasoritra mazava ny andraikitra tandrify ny sarangan’ny mpikarana madinika ao amin’ny tantaran’ny Madagasikara.
« ny SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA NO AFAKA MITARIKA NY TOLOM-PIAVOTANA hanafoanana nt fanandevozana isan-karazany ary ijoroana amin’ny fandrosoana . Ny sarangan’ny mpikarama madinika no afaka mitarika ny tolom-piavotana hatrany amin’ny fandravana ny tsy fitovian-tsaranga napetraky ny Mpangoron-karena sy ny farasisan’ny fanjakan’andriana. Fandravana ny tsy fitovian-tsaranga misy amin’ny tompo sy ny andevo, mpangoron-karena sy ny mpikarama, lehilahy sy ny vehivavy. Ny sarangan’ny mpikarama madinika no manana fahaizana asa ho enti-mampandroso ny famokaraba entana sy ny fitaovanamampiadana ny vahoaka ka hialàna amin’ny fahantrana sy ny tsy fahampiana. Noho ireo voalaza ireo dia ny sarangan’ny mpikarana madinika no saranga mpitari-tolona ho fananganana Fanjakan’ny Madinika.
Napoitran’ny Vovonana – III koa ireo halemena izay mbola vato misakana ny sarangan’ny Mpiharama madinika tsy ho tafasondrotra amin’ny laharana tandrify azy. : « Ho masi-mandidy amin’ny asam-pitolomanan’ny MFM sy eto Madagasikara »
Anisan’izany izy tsy manana fahefana sy andraikitra nahafahana hanatanteraka ny tolom-piavotana, fa sarangan’ny mpangoron-karena hatrany teto amin’ny firenena.
Anisan’izany koa MBOLA TSY AMPY NY FITAIZANA ARA-POTOKEVITRA NATAON’NY MFM NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA hahatonga azy ho saranga mpitari-tolona afaka hiatrika ny fanatanterahana ny tolom-piavotana.
Ary tsy ampy hiatrehany ny fahefana sy andraikitra omena azy amin’ny fampiharana ny DIFASO ny FAHAIZANA SY FAHALALAN’NY MPIKARAMA MADINIKA
Koa nomen’ny VOVONANA - III baiko ny Fototra, Toko ary Vondrona MFM hanao fampiofanana manokana ny mpikarama Madinika hitarihana azy hiditra mpitari-tolona ao amin’ny MFM
«Fankatoavana izany baiko navoakan’ny VOVONANA - III izany izao no dinidinihina sy halalinina ary hampiharin’ny MFM sy ny Sendikà T.M. ao amin’ny fitarihany ny asam-pitolomana andavanandro.
Ny tantara nodiavin’ny sarangan’ny mpikarama madinika teto amin’ny firenena ary ny andraikitra mipetraka aminy ankehitriny izay tsy maintsy itarihan’ny MFM sy ny Sendikà T.M azy. Izany no hofakafakaina eto.
Marihina tsara fa tsy maintsy nafantoka manokana tamin’ny sarangan’ny Mpikarama Madinika ny fandalinana amin’ity lahatsoratra ity satria ilaina izany. Momba ny fiombonan’ny sarangan’ny mpikarama madinika sy mpiasa tany ary ireo saranga hafa kosa dia TSY MAINTSY DINIHINA ARAKY NY FEHIN-KEVITRY NY VOVONANA.
NY TANTARA NODIAVIN’NY TOLON’NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKATETO MADAGASIKARA
Nanampy ny manafaingana ny fisondrotan’ny sarangan’ny mpikarama madinika ho «masi-mandidy amin’ny asam-pitoloman’ny MFM sy eto M/kara» ny fitarihana azy handinika sy hanatsoaka hery amin’ny fahalalana ny tantaran’ny saranga misy azy.
Izany no ahatakarana ny nampantanjaka io saranga io tamin’ny tolona natrehiny, ary indrindra koa ahatakarana izay halemeny tsy maintsy avadika ho hery eo amin’ny tolona mbola itarihan’ny MFM azy.
Raha ny tantarany dia ny saranga napoitran’ny fangoronan-karena ny sarangan’ny mpikarama miadinika. Ny mpanjanatany Frantsay no nampivelatra sy nampibahana ny fangoronan-karena amin’ny fanaramana hanjaka teto M/kara.
Voatery nifanolana hatrany tamin’ny vahoaka tia tanindrazana anefa ny sarangan’ny mpangoron-karena frantsay nanjanatany teto sady nifanolana tamin’ny vahoaka tamin’ireo zanatany hafa koa ary tamin’ny vahoaka madinika miavo-tena tany an-taniny tany Frantsa
Nampiovaova ny endrika ny fanjakana nofehezin’ny mpangoron-karena teto M/kara izany hatramin’ny 1895-1960-1972. Nivadibadika arak’izany koa ny tolona natrehin’ny sarangan’ny mpikarama madinika.Voasedra tamin’izany ireo Sendikà sy Antoko nifandimby teto M/kara. Nametraka andraikitra vaovao amin’ny Sendikà sy antokom-piavotan’ny Vahoaka Madinika kosa ny dingana atrehina hatramin’ny 1972-1975.
Toy izao ny fanazavana ireo voalaza ireo :
Anisan’ny firenena notafihin’ny mpangoron-karena Frantsay i M/kara hanjakazakany sy hifehezany ny fihariana ary ny tany sy ny fanjakana. Izany no dikan’ny fananihana sy ny fambaboana ny firenena tamin’ny 1895
Fanjakana naha-masi-mandidy ny andriana no novantaniny teto M/kara. Ny fanandevozana niompanan’ny fanendahana herim-pon’olona teo amin’ny fihariana, miampy ny fanendahan’ny andriana ny hetra sy hasina tamin’ny vahoaka nofeheziny. Izany hoe fanjakana sy fihariana fehezin’ny tompon’andevo ka tsy afaka manamora mivantana ny fangoronan-karena tetehin’ny mpanjanatany haorina. Fikaramana no sata ifehezan’ny mpangoron-karena ny mpiasa anendahany tombony Samy tsy maintsy noravan’ny mpanjanatany ny fanjakan’andriana na ny fanandevozana hampivelatra haingana ny fihariana sy ny fanjakana feheziny.
Izany no antony nanaovana sesitany ny mpanjaka merina sy ny mpitondra sasany, ny famonoana ny hafa, ary indrindra indrindra ny « fampandrian-tany ara-tafika» nampalaza an’i Galliéni fa sady famotehaha ny herim-pitoloman’ny vahoaka, no fiezahan’ny mpanjana-tany mametraka hatrany am-potony izay mpitondra voafehiny manerana ny firenena. Izany koa no anton’ny famotsorana andevo tamin’niy 1896.
Didy jadona sy asa an-terivozona no namolahan’ny mpanjanatany ny firenena sy ny vahoaka hamelona ny fihariana fehezin’ny voanjo rehefa afaka nandidy sy nanapaka teto amin’ny tany sy ny fanjakana izy.
- Nobaboiny ny harena ankibon’ny tany
- Nobaboiny koa ny tany famboly midadasika (concessions)
Koa na dia foana ny fanandevozan’ny andriana dia nitombo indray aza ny vahoaka tsy nanan-kivelomana sy sahirana indray navarin’ny mpanjanatany ho mpikaramany.
Tsy foana akory ny asa an-tery nanompoana ny fanjakana fa ny tompo no niova ary ny asa natao no vaovao (filanjana entana sy mpiasam-panjakana, tao-lalana…). Niha-henjana aza satria natanjaka sy nahay kokoa ny herim-pamoretana noho ny an’ny andriana sady tsy voafehin’ny fombafomban-tany sy fomban-drazana fa vahiny mpandresy vao tonga .
Fomba hamolahana ny mpiasa havarina ho mpikarama tamin’ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany, concessions, ary fanodinan-javatra no fehezin’ny voanjo ny HETRA vola notakiana isan-dahy.
Vola tsy maintsy naloa tamin’ny fanjakana ny hetra ary nofaizina mafy izay tsy mahefa ny azy ara-potoana. Voatery mitady vola ny olona hanefana azy io fa tsy afaka mifikitra amin’ny voly sy fiompiana namelomany ny ankohonany. Izany hoe tsy maintsy mivarotra ny vokatra na mivarotra ny herim-pony : mikarama. « Nodidian’ny mpanjanatany tsy maintsy hanana « livret» (karatra) manamarina ny « angazomà» koa ny lehilahy tonga taona hiasa, fa raha tsy izany nosamborina hiasa an-terivozona fa mpirenireny. Tsy inona ny «angazomâ» (engagement) fa fanamarina milaza fa mpikarama hianao.Tsy misy mpanamarina «angozomà » izay miasa ho an’ny tenany ka tsy manana «livret». Ny voanjo ihany no afaka manamarina angazoma ka izay mikarama aminy mahazo karatra… rehefa manaiky ny tian-kano tsy tian-kano ataony. Nampigadra ny miala amin’ny asa. Fanerena ny vahoaka hivarina ho mpikarama mpangoron-karena koa ny didy momba ny karamanga sy ny haza-lambo natao an’ireo izay tsy manana. Fomba namoriana mpikarama izany ny hetra sy ny kara-manga. « Azon ny mpanarama natao koa ny mampiantso mpiasa hiasa ao aminy (ny manam-pahefana no miantso olona ho azy rehefa amin’izany). Didim-panjakana no manendaka ny mpiasa avy an-tanàna niaviany ho any amin’ny mpangoron-karena ho tompoiny. Sampam-draharaha manokana natao hoe «office du travail » no niandraikitra an’izany. «Ankoatr’izany dia nisy ny asa tsy maintsy natao hamoronana faran’izay haingana ny làlana, ny lalam-by, ny lakan-drano, trano isan-karazany….. Ilain’ny mpangoron-karena hanamora ny fihariany ny fifamoivoizana, ohatra. Noraisin’ny mpanjanatany ho raharaham-panjakana ireny ary nomeny anarana hoe «fanompoana» ho amin’ny tombotsoan’ny rehetra (SMOTIG). Didy midina tsy maintsy nankatoavin’ny vahoaka rehetra ny fanaovana azy. Asa maimaim-poana nanamorana ny fangoronan- karena nataon’ny voanjo ny SMOTIG.
Raha fintinina dia didy jadona sy herisetra no namolahana ny mpiasa hivadika ho mpikarama (nobaboina ny tany, nohazaina tamin’ny hetra sy ny karamanga), ary nanerena azy hamelona ny fanjariana nofehezin’ny voanjo (fiantsoana sy fanendrena ny mpiasa : office du travail). Ankeriny koa no nampiasana ny vahoaka hamorona ny zava-drehetra hanamora ny fangoronan-karena sy ny fanjakan’ny mpanjanatany (SMOTIG).
i
Sady fanjakana sy fihariana tsy nofehezin’ny mpangoron-karena novantanin’ny mpanjanatany frantsay teto ka tsy maintsy nopotehiny.
- mpangoron-karena mitsipozipozy sy osa koa ireo voanjo nentiny hifehy ny fihariana ka tsy afa-mipoitra raha tsy mampiasa mivantana ny fahefam-panjakana, Ary hanendaka akoram-bokatra sy herim-po mihoa-pampana tsy toy ny fanaony tany Eoropa no niaviany teto. Nihatery mantsy ny fangoronan-karena tany Frantsa sady efa nikomy sy nanohitra ny sarangan’ny mpikarama madinika ka tsy maintsy voafepetra ihany ny fanendahana herim-po sahin’ny mpangoron-karena natao azy. Teto Madagasikara kosa saranga vao niforona ny sarangan’ny mpikarama madinika.
Ireo no antony lehibe manazava ny herisetra sy jadona nataon'ny mpanjanatany vao afaka nanorinia ny fangoronan-karena teto amin’ny firenena izy.
Fihariana mampiasa fitaovana sy fahaizana mahery noho izay nisy teto hatrizay, ny fihariana nampidirin’ny mpanjanatany. Nandidy nanapaka teto amin’ny firenena koa ny saranga mifehy azy ; koa nanjary nibahana fihariana teto amin’ny firenena ny fangoronan-karena ary nolevoniny miandalana na miankin-doha taminy ireo fihariana hafa rehetra «Ny adin-tsarangan’ny sarangan’ny mpangoron-karena sy ny sarangan’ny mpikarama madinika no «tonga» fifanolanana ifotoran’ny fanovana sata ny fihariana sy ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana manomboka hatreo.
Izao no azo tsoahina voalohany :
-Mpiasa nofolahin’ny mpanjanatany an-keriny no nipoiran’ny sarangan’ny mpikarama madinika teto M/kara.
-Naka endrika arakà izany koa ny fifanolanana natrehin’ny sarangan’ny mpikarama madinika teo amin’ny tantaram-pirenena.
NIFANTOKA TAMIN’NY FITAKIAN-JO NY TOLONA NIJOROAN’NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA TANY AMBOALOHANY
Maro tsy tambo ho tononina ny fitantarana mampihorin-koditra nataon’olon-tsotra, na mpanao politika tera-tany, frantsay ary vahiny hafa eran-tany momba ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana izay feno habibiana nataon’ny mpanjanatany ny sarangan’ny mpikarama madinika teto M/kara. Tsy misy fitsimbinana ny ain’ny mpiasa mpamokatra akory. Marina fa nisy ihany ny fanararaotana nataon’ny singan’olona sasany nefa ny jadon’ny mpanjanatany mihitsy no fototr’ireny rehetra ireny. Satam-panandevozana no nitondrana ny tany sy ny fanjakana, nofeheziria tamin’ny hoe : « indigenat » (azon’ny mpifehy vahoaka natao ny manafay sy mampigadra tsy misy fitsarana : 1904 - 1945). Anisan’ny didy nampiharina tamin’ny tera-tany Malagasy ny fanaovana asa anterivozona (lehilahy 16 - 60 taona, 50 andro isan-taona) ny kara manga, ny fiantsoana hikarama izay efa samy voalaza tany aloha.
Na samy mpiasa sy mpikarama aza dia samy hafa ny didy aman-dalàna itondrana ny frantsay sy ny vazaha an-taratasy ankilany ary ny Malagasy an-daniny. Ankoatry ny terivozona dia toy izao ny didy nitondrana ny sarangan’ny mpikarama madinika tera-tany teo amin’ny asany :
-migadra izay mpiasa miala tsy mikarama amin’ny « patron» voanjo (rupture de contrat).
Malalaka izany ny jadon’ny mpanarama
tsy latsaky ny adin’ny 10 ora isan’andro no iasana ;
tsy misy andro fialan-tsasatra na alahady na fety ;
tsy misy didy mametra ny fitsimbinana ny aina sy ny fahasalaman’ny mpiasa, na miaro azy amin’ny herisetra ary ny vono
malalaka arak’izany ny fanararaotana rehetra.
Raha momba ny karama, dia avo lavitra (5 na 10) noho ny raisin’ny mpiasa tera-tany no raisin’ny vazaha na asa mifanahaka ary samy eto M/kara ihany aza no atao. Mihoatra ny vidim-piainana indray dia mikoroso fa tsy mihatsara ny karama (fony 1896 nandray 1f-2.50f isan’andro kanefa 0,40f ny kilaom-bary, izany hoe mahazo vary 2,50kg fara fahakeliny ny karama isan’andro, 1945 nandray 30 – 40f ; 10f ny vary 1kg, vary 3kg na 4kg no azo. Mitombo ny fandaniana arakaraky ny fitaran’ny fikaramana satria tsy manana antom-pivelomana ankoatry ny fikaramana ny mpikarama.
Eo anatrehan’izany dia nosakanan’ny didy aman-dalàna ary tsy neken’ny mpanjanatany nivondrona tanaty fikambanana na sendikà indrindra fa antoko politika ny mpikarama madinika tera-tany ary ny vahoaka.
Ny didim-panjakana no namaritra ho araka izany ny fahefan’ny sarangan’ny mpikarama madinika teo amin’ny fifehezany ny fananany, teo amin’ny tenany sy ny asany ary teo amin’ny andraikitra sy dingana azony natao teo amin’ny tolona. Voafaritra ny fanjakan’ny mpanjanatany araka ireo ny zo azon’ny mpiasa tera-tany nantenaina hihatra raha toa manara-dalàna ny mpitondra sy ny voanjo mpanarama azy.
Tanaty tetika ny mpanjanatany hanondrotana ny sarangan’ny mpangoron-karena ho masi-mandidy io fameran’ny zon’ny vahoaka Malagasy sy ny mpiasa tera-tany io. Ka na ny zo nanana’ny mpiasa mpikarama anatin’ny fanjakan’ny mpangoron-karena tany Frantsa tamin’izany fotoana izany aza tsy azony nekena hihatra teto Madagasikara. Tsy maintsy natao tery lalana ny sarangan’ny mpikarama ary tery lavitra noho ny tany Frantsa aza fa ratsy izany dia ny sarangan’ny mpangoron-karera no sahirana... Tsy nahazo nisafidy malalaka ny hikarama na tsy hikarama intsony (kara-manga), na ny fanjarianasa hikaramana (fanendren’ny fanjakana), fa indrindra koa tsy mahazo mivondrona anaty fikambanana sendikà na Antoko. (Tsy maintsy nomena fahefana malalaka. ahazoany manamafy orina faran’izay haingana ny fangoronan-karenla ataony sy ny fanjakany kosa ny voanjo (fananan-jo hamaritra tany, hampiantso olona hiasa maimaimpoana, sns..)
Izany no anton’ny tsy fitovian-jo teo amin’ny tera-tany sy ny frantsay sy vazaha an-taratasy, na dia samy mpiasa. Vokatr’izany : dia misy miaramila vazaha anisan’ny tonga mampandry tany teto, tsy nitondra inona afa-tsy ny tanam-polony, nefa vetivety foana dia nanjary « colon » natanjaka rehefa misotro ronono ka tsy miaramila intsony.
Tsy herisetra mivantana ihany izany fa ny didy aman-dalàna koa (zo) namolahana ny firenena ho andevon’ny mpangoron-karena frantsay.
Tsy izay sitra-po sy fanirian’ny mpanjanatany ihany kosa no nahafaritra sy nahafetra ny zo ara-dalàna niainan’ny vahoaka sy ny mpikarama madinika. Araky ny herim-pitoloman’ireo saranga mifanolana anatin’ny fanjakana no tsy maintsy endriky ny zo sy sata ifampitondrana, na dia eo aza ny foto-kevitra ametrahan’ilay saranga masi-mandidy.
Izany hoe : misy fivoarany hatrany ny zo. Na dia samy anaty fanjakan’ny mpangoron-karena izao ihany aza (ny mpangoron-karena izany no masi-mandidy) rehefa natanjaka ny herim-pitoloman’ny sarangan’ny mpikarama madinika vao afaka mamolaka ny fanjakana nanamboatra ho malaka kokoa ny zo mifehy ny asa izy. Raha osa kosa dia ho vary an-javony tsy mihatra akory izany zo efa nananany, ary mety ho foana mihitsy aza (miova arak’izany ny lalàna).
Tolona fitakian-jo no niombonan’ny sarangan’ry mpikarama madinika voalohany teto M/kara. Izany hoe : « FAMOLAHANA NY MPANJANATANY HAMPIVOATRA NY DIDY AMAN-DALANA NITONDRAN’NY MPANGORON-KARENA ».
Nahatakaran’ny vahoaka sy ny mpikarama madinika malaky ny tolona tsy maintsy natao ny fampitahana ny fiainana nodiaviny tamin’ny fanandevoana. Tsy dia mifankaiza amin’ny fiainan’ny andevo taloha ny fiainana nandidian’ny mpanjanatany azy (ny lalàna tsy mamaritra ara-drazana fotsiny, ary tsy azo namidy mivantana ny mpikarama, tsy navelan’ny lalàna ho vonoin-ko faty ary mandray karama). Tsy neken’ny sain’ny mpikarama madinika sy ny vahoaka intsony izany. Indrindra fa nisy ireo fifampikasohana tamin’olona sy firenena nampanan-jo malalaka kokoa nysarangan’ny mpikarama madinika (nanao miaramila ohatra, ka nahita tany an-dafy, nahita fianarana, sns..). Anisan’izany ny fahalalana ny tolon’ny madinika sy ny fanjakan’ny madinika (Rosia 1917). Ny fitahana tamin’ireny koa, nampian’ny tsy fitovian-jo tamin’ny tera-tany sy Frantsay teto an-toerana, dia nahatakaran’ny vahoaka sy ny mpikarama madinika ny fitakian-jo tsy maintsy nataony.
Nanamora zavatra avy taty ivelany ihany anefa ireny. Fa ny tena fototra nipoiran’ny fahatakarana ny tolona teo amin’ny sarangan’ny mpikarama madinika dia ny :
FIFANOLANANA NANATREHANY MIVANTANA NY MPANGORON-KARENA MPANJANATANY TAMIN’NY FIAINANA ANDAVANANDRO
Nanery azy hifanatrika sy hifandona mivantana isan’andro tamin’ny mpanjanatany nampiasa azy ny fikarama. Tanatin’izany no nitsimoka tao an-tsain’ny mpikarama ny fikomiana ary ny dingana azony notakarina dia ny fitakian-jo.
Ankoatran’ny fitakiana ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa (karama sy fiarovana amin’niy herisetran’ny mpanarama fampihenana ny ora iasana) dia niaraka tamin’ny vahoaka (hatramin’ny tambanivohitra sy ny foksionera) ny sarangan’ny mpikarama madinika mitaky fanafoanana ny SMOTIG sy fampihenana ny andro iasana fanompoana fanjakana (1920). Niharo avy hatrany tamin’ny tolom-bahoaka nitaky itovizana amin’ny zakain’ny tera-tany frantsay ny tolon’ny sarangan’ny mpikarama madinika. Ny fitakiany manokana kosa dia ny zo hanangana Sendikà, izany hoe hahazo mivondrona sy mitolona an-karihary (RALAIMONGO). nihamaro ary nihanahery hatrany ny fihetsiketseham-bahoaka, ary tonga hatramin’ny fitokonan’ny mpiasa aza. Nivadika avy hatrany ho fiarahana amin’ny vahoaka foana ny fitakian-jon’ny mpiasa, ary mivadika avy hatrany ho fanoherana ny fanjakan’ny mpanjanatany koa satria araky ny voalaza tatsy aloha : herisetra sy didy jadona no tsy maintsy nampiasain’ny mpangoron-karena namolahana ny mpiasa malagasy hikarama aminy. Anisan’ny tetika tamin’izany famaritana ny zon’ny mpiasa malagasy ary ny tsy fitovian-jo tamin’ny tera-tany frantsay. Nanimba mivantana izany tetiky ny mpanjanatany hampisondrotra ny mpangoron-karena frantsay ho masi-mandidy amin’ny tany izany ny tolona fitakian-jo notarihin’ny mpikarama madinika. Hany ka famoretana henjana no natsenan’ny fanjakana frantsay izany fihetsiketsehana rehetra, na dia fivoriana «conférence» fotsiny aza. Tsy mahagaga koa raha nalaky tonga hatrany amin’ny fitakiana fahaleovantena ny fihetsiketseham-bahoaka (19 Mey 1929)
Vokatry ny fihetseketseham-bahoaka niaraka tamin’ny tolon’ny sarangan’ny mpikarama madinika, izay nihazakazaka sy nihahenjana mihitsy, dia nahafolaka ny mpanjanatany hanaiky ny fitakiany karama ary indrindra hampivoatra ny zony ka nanaiky ny fananganana sendikà ara-dalàna tamin’ny 1938 ny mpiasa Malagasy. Nanampy hery ny sarangan’ny mpikarama madinika malagasy tamin’ny fotoana io ny tolon’ny sarangan’ny mpikarama madinika tany Frantsa izay nitombo hasina sy nahazo hery hatramin’ny taona 1936 (Mandatehezam-bahoaka na Front Populaire).
IZAY NO HERY.
SAINGY TSY TAFASONDROTRA MASI-MANDIDY TAMIN’ NY FITONDRANA NY TOLONA TETO AMIN’NY FIRENENA SY TANATIN’FIKAMBANANA, (SENDIKA, SY ANTOKO) :
IZANY NO HALEMENY.
Fivondronana ny fiaraha-mientan’ny sarangan’ny mpikarama madinika tamin’ny vahoaka, niatrika ny fahavalony no nahazoany hery namolahana ny mpanjanatany. Vokatr’izany no nahazoany nanangana sendikà ara-dalàna (1938).
Nalaky nivadika ho tolona politika hatrany ny fitakiana rehetra nosahanin’ny sendikà noho ny antony voalaza tetsy aloha, hany ka zary antoko politika niafina endrika ny sendikà. Izany hoe nandray andraikitra hatrany tamin’ny raharam-pirenena (ady tamin’ny mpanjanatany). Tafaray tamin’ny tolon’ny vahoaka manontolo noho izany ny mpiasa sy mpikarama madinika ka tsy nisamaka firy ny heriny. Ny Mpanjanatany fahavalo niombonana sady nisongadina mazava tsara. Tafasondrotra ho ambony laharana ny adin’ombalahy ka tsy nahasamaka azy ny sendikà samihafa (adin’akoholahy). Sady nisy teo rahateo ny sendikà matanjaka izay nanan-kasina tamin’ny mpiasa, ka nahatarika ny sendikà hafa nianaraka azy hanatanteraka ny dingana napetrany, voamarika araky ny vanin-tantara nodiavina: ny CGT. Ary teo koa ny sendikà tsy miankina sy ny sendikà kristianina.
Nitohy hatrany taloha kelin’ny 1947 izany endriky ny tolona izany saingy nitatra sy nihalalim-paka teo amin’ny vahoaka eran’ny Nosy kosa. Nitombo miandalana ny olona voakasiky ny tolona ary nihamafy ny fivondronana tamin’ny vahoaka ary teo amin’ny sarangan’ny mpikarama madinika. Nanenjana mafy ny fandrobany ny harem-pirenana sy ny famoretany ny sarangan’ny mpikarama madinika ny mpanjanatany teo anelanelan’ny 1938 sy 1946 mba hamahanany ny ady nifanaova’izy ireo tany Eoropa (1939 -1945). Na ny vary hohanin’ny vahoaka aza noferana (office du riz) ary navarina hamatsiana an’i Frantsa miaraka tamin’ny harem-pirenena sy herim-pon’ny mpiasa rehetra teto Madagasikara.
Nalaky takatry ny vahoaka ary tafaori-paka tao aminy fa ny fahaleovantena no làlana hahafahany miavo-tena. Nanjary vain-dohan-draharaha eo amin’ny asa-pitoloman’ny zanatany ny fandrom-bahana ny fahaleovan-tena haha-masi-mandidy ny firenena eo amin’ny taniny. Tsy toy ny tamin’ny 1929 intsony fa loha-laharana tamin’ny fitakiana fahaleovan-tena ny sarangan’ny mpikarama madinika hatramin’ny 1945 satria nalaky nahatsapa tamin’ny fifandonana mivantana tamin’ny mpangoron-karena mpanjanatany fa ny fanjanahana mihitsy aloha no tsy maintsy fongotra eto amin’ny firenena. Mampiseho an’izany ohatra ny fihetsiketsehan’ny mpiasa mpanao simenitra tany Amboanio sy ny mpikarama tao amin’ny FITIM tamin’ny 1946. Noho ny tifitra olona nataon’ny herim-pamoretana dia nitatra hatrao Mahajanga ny fihetsiketsehana ary niafara tamin’ny fiantsoantsoana fahaleovantena. Toy izany koa ny fitokonana nandritry iny taona 1946 manontolo iny (mpikaraman’ny lalam-by T.C.E., mpanao siramamy tany NAMAKIA, seranana tany amin’ny morontsiraka atsimo-antsinanana. .,.), ary ny fitakiana fisondrotan-karama sy ny fikomiana ary filefana tamin’ny asa an-terivozona.
Niely nanerana ny Nosy ny sendikà ary tena naha-entana ny mpiasa sy ny mpikarama madinika tokoa, ary ny vahoaka nanodidina azy. Nahafolaka ny mpanjanatany indray ny vahoaka ka afaka nanangana antoko politika ny tia tanindrazana. Izany no vokatry ny fihetsiketseham-bahoaka ary loha-laharana tamin’izany ny sarangan’ny mpikarama madinika. Matotra ny fitakian’ny vahoaka haha-masi-mandidy amin’ny taniny. Izany no dikan’ny firotsahany nanatevina ny MDRM ary ny fandatsaham-bato ho an’ny MDRM no nanehoany ny fahavononany hitolona. Izany no hery azon’ny sarangan’mpikarama madinika noho izy mivondrona niatrika ny adin’ombalahy hatreo amin’ny 1947.,
Nisy koa anefa ny halemeny
Sampan’ny sendikà CGT frantsay ny sendikà nijoro sy natanjaka indrindra teto hatramin’sy 1938, ary mbola sampan’ny CGT ihany koa sy sendikà MDRM Tany Frantsa no foibeny. Nanampy azy koe ny CFTC (kristianina), ary ny tsy miankina . Nanelingelina ny fisandratan’ny tera-tany, indrindra ny sarangan’ny mpikarama madinika ho masi-mandidy tamin’ny fitondrana ny fikambanana izany ary tamin’ny fitarihana ny tolona teto amin’ny firenena. Voalohany indrindra satria tany Frantsa ny foiben’ny sendikà, faharoa misy frantsay tompon’andraikitra ambony tamin’ny sendikà teto, ary nampiasainy tanatin’ny sendikà sy tanatin’ny antoko rehefa any ambaratonga ambonimbony ny teny frantsay, (resaka. fivoriana, taratasy, fitsipika…)
Iry voalohany no nanakana ny sarangan’ny mpikarama madinika tsy ho masi-mandidy tamin’ny asam-pitolomana teto amin’ny firenena. Efa hatramin’ny talohan’ny niforonan’ny sendikà teto M/kara no nisy frantsay iraky ny fikambanana sy antoko an-kavia nanentana tolona teto. Izany hoe avy tany Frantsa no namaritana izay nitondrana ny tolona (1936 :fony teo amin’ny fitondrana ny Front Populaire). Fa nony tafatsangana ny sendikà (izay sady nanao asan’antoko miafina). ka tany Frantsa no foibeny (CGT) dia nanjary mpanampy sy mpanatevina ny tolona notarihiny tany Frantsa ihany no niheveran’ny sy nitondrana ny tolona tarihin’ny mpikarama madinika teto Madagasikara. Tsy nifototra tamin’ny zava-niseho tamin’ny vanin-tantara teto amin’ny tany sy ny firenena ny baikom-pitolomana sy ny fampiharana ny foto-kevi-piavotan’ny sarangan’ny mpikarama madinika. Na dia nalaza ho mpiandany tamin’ny «koministà» aza ny sasany tamin’ireo mpitari-tolona dia tsy nisy .nampifantoka ny tolom-piavotam-pirenena tamin’ny adin-tsaranga ifanaovan’ny sarangan’ny mpikarama madinika sy ny sarangan’ny mpangoron-karena teto M/kara. Tsy voavadika ho tolona hahatonga ny firenena ho masi-mandidy amin’ny taniny ary ho fananganana fiaraha-monina sy fanjakana ary fihariana fehezintny sarangan’ny mpikarama madinika sy ny mpiasa tany ny tolona nitakiana fahaleovan-tena satria tsy nifantoka tamin’ny adin-tsaranga tato anatin’ny firenena.
Ary na dia Malagasy aza ny mpitarika ny antoko MDRM tao amin’ny foiben’ny fikambanana, mbola tamin’ny CGT ihany no nanankinana ny sendikà.
Ary fanohizana ny tolona politika natomboky RALAIMONGO sy ireo Frantsay namany tany Parisy ihany no nitondran-dRASETA ny antoko MDRM.
Izany hoe : nifantoka indrindra tamin’ny fampiharana ny zo efa nahitany hirika ny tolona nataon’ireo mpitarika MDRM. Ny fampiharana ny zo hofidiana sy hifidy no nampiasainy hitakiana ny fahaleovantena: izany no nampalaza ireo depiote MDRM tany Frantsa. Tsy tafavadika ho antoko mitolona ho amin’ny fanjakan’ny madinika ny MDRM izay nahavondrona vahoaka madinika maro nanaraka azy satria tsy nifantoka tamin’ny adin-tsaranga ny tolona nataony. Tsy masi-mandidy tao amin’ny fitarihana tolona tao amin’ny MDRM ny sarangan’ny mpikarama madinika, hany ka rehefa nandray fiadiana hifamelezana tamin’ny mpanjanatany ny vahoaka (29 marsa. 1947) tsy tanaty vinavinan’ireo olo-manga mpitarika loatra izany ka tsy nanana tetika mazava sy maty paika momba izany ny mpiady na tamin’ny ara-tafika izany na tamin’ny fanangana fanjakam-piavotana.
Faharesena no vokany.
Tsy tafasondrotra ho masi-mandidy mitarika ny tolona teto amin’ny firenema sady tsy masi-mandidy tanatin’ny sendikà sy ny antoko nivondronany izany no halemena nitarika faharesena ho an’ny sarangan’ny mpikarama madinika teo amin’ny tantara nodiaviny.
Nampihemotra lavitra ny tolom-piavotam-pirenena sy ny fiavotan’ny sarangan’ny mpikarama madinika ny famaizana namaivay nampiharin’ny mpanjanatany teto amin’ny firenena taorian’ny 29 Marsa 1947. Nanararaotra nanamatsamaka ny vahoaka ny mpanjanatany ary niezaka naka vahana teto M/kara ny mpivarotra tanindrazana tanatin’ny PADESM.
NIHANAHAZ0 VAHANA NY FITARIHANA TOLONA NAMPAHA-OSA NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA
TAFASONDROTRA HO MASI-MANDIDY TETO AMIN’NY TANY SY NY FANJAKANA NY SARANGAN’NY GASY AMBONY MPIVAROTRA TANINDRAZANA PSD (1960)
Nifandona mivantana tamin’ny mpangoron-karena mpanjanatany hatrany ny sarangan’ny mpikarama madinika noho ny toerana misy azy eo amin’ny fihariana. Tsy nisy fileferany ny tolon’ny mpikarama na dia henjana sy nikoizan-tany aza ny habibian’ny mpanjanatany tamin’ny famotehana ny tolona taorian’ny 29 Marsa 1947.
1947 ihany dia nanao fitokonana goavana ny mpiasan-tseranana (dockers) tany Sambava sy Antalaha ka nahafolaka ny mpangoron-karena hampisondrotra 50% ny karamany.
1948 mpikarama 3000 no nitokona sy namolaka ny mpangoron-karena tao, amin’ny fanaovan-kena am-bifotsy tao Boanamary.
1953 fitokonana goavana koa tao Antsirabe.
Niverimberina tao amin’ny fitakian’ny mpikarama ny famaritana ny karama farany ambany (SMIG), ny volan-jaza sy ny fitsimbinana ny aretina ary ny fahanterana sy ny fanafoanana ny asa an-terivozona amin’ny endriny rehetra.
Dingana goavana amin’ny tolon’ny mpikarama teto M/kara ny fivoahan’ny lalàna mifehy ny asa tamin’ny 1956. Nivoatra sy nihanalalaka ny zony teto amin’ny firenena na dia mbola tanaty fanjanahantany ihany aza. Tsy nandeha singany izany dingana izany fa tafaray tamin’ny fivoaran’ny tolona teto amin’ny firenena sy iraisam-pirenena.
Toy izao no azo anazavana io vanin-tantara io :
- Efa nihareraka sy lany hery eran-tany ny fanjanahantany frantsay; tsy mahefa manohy ny herisetra sy jadona intsony.
- Maro ny zanatany nihanahery ara-tafika na ara-politika tamin’ny tolom-piavotana ka nandemy azy (Viet-Nam 1954, Tanzania sy Maroka 1956, Aljeria, Guinée, sns...)
- Tsy tafasondrotra ho masi-mandidy tamin’ny tolom-piavotana kosa anefa ny sarangan’ny mpikarama madinika teto M/kara ary tsy nitarika azy ho amin’izany ny fikambanana nisy fa vao maika nampisamantsamaka ny herim-pitolomana aza. Toy izany koa ny tany Frantsa, hany ka dingana mikasika ny zon’ny mpiasa manokana sy zo sasantsasany ho an’ny vahoaka no vita fa tsy voakitikitika ny maha-masi-mandidy ny mpangoron-karena mpanjanatany..
-Tsy masina intsony anefa ny mpanjanatany.
-Afaka nanararaotra izany halemen’ny mpanjanatany sy ny sarangan’ny mpikarama madinika izany ny mpangoron-karena matanjaka (DE GAULLE) sy ny tariny tany Frantsa izay nanana tetika hafa kokoa haha-masi-mandidy azy eran-tany (néo-colonialisma). Afaka nisandratra teto M/kara koa ny sarangan’ny Gasy Ambony mpivarotra tanindrazana notarihin’ny PSD.
- ny «réferendum» tamin’ny 1958 sy ny fahaleovan-tena 1960 ary ny fanendrena an’i Tsirarana ho filohan’ny Repoblika no fanatanterahana izany. Ny dinam-panandevozana (accord de coopération) no nifehezan’ny mpangoron-karena frantsay ny fanjakana sy ny fihariana. Toy izao ny fisehoan’io fitarihan-tolona nampahasoa ny sarangan’ny mpikarama madinika, izay nahazo vahana teto amin’ny firenena io :
tsy niompana tamin’ny adin-tsaranga notarihin’ny sarangan’ny mpikarama madinika ny tolom-piavotana. Na dia teo aza ny tolona tsy milefitra notohizan’ny mpikarama madinika (saranga voalaza tetsy aloha) dia TSY VITAN’NY MPITARIKA. INTSONY NY NAMPIFAMATOTRA IZÀNY TAMIN’NY FIAVOTAM-PIRENENA, TOY NY TALOHAN’NY 1947. Nanjary niavaka sy samy naka ho azy ireo tolona ireo. Nivadika ho tena adi-zo ranofotsiny tanatin’ny fanjakan’ny mpanjanatany ny tolon’ny sendikà,
-ny tolona politika indray dia tolona miakatra sy mijanona tany ambony tany, raharahan’ny samy mpitarika sy ny vazaha mpiaro sy mpitsimbina ny zon’olombelona ary ny mpitondra zanatany. Nifantoka tamin’ny firaisam-po sy fitsimbinana ary fiarovana, ary avy teo, fitakiana famotsoran-keloka ho an’ireo mpitarika ny MDRM nigadra sy voasesitany ny fihetsiketsehana natoa (comité de solidarité).
- tany anaty Gazety sisa no niresahana ny fahaleovantena, ary tao amin’ny kabarim-pifidianana.
Tsy vain-dohan-draharaha teo amin’ny tolon’ireo potik’antoko maro nisy teo anelanelan’ny taona 1947-1958 ny FANDROMBANA ny fahaleovantena.
Namakivaky ny herim-pitolomana izany.
Mbola tsy masi-mandidy ny sarangan’ny mpikarama madinika teto M/kara na dia tamin’ny andron’ny sendikà aza. Niendaka tamin’ny CGT frantsay mantsy ny sendikà tamin’ny 1956 SAINGY NIFINDRA FOIBE FOTSINY KA NIANKINA TAMIN’NY F.S.M. TANY MOSCOU INDRAY((Fédération Syndicale Mondiale). Izany hoe avy nanankina ny tolom-piavotana Malagasy ho mpanampy sy mpanatevina ny tolon’ny mpiasa frantsay ny CGT dia nampiditra azy hiankina, mpanampy sy mpanatevina ny tety-mpanjakana Sovietika indray ny FISEMA. Mbola tsy niompana tamin’ny zava-niseho tamin’ny vanin-tanrtara teto amin’ny tany sy ny firenentsika ny baikom-pitolomana sy ny fampiharana ny foto-kevitra na dia nisoratena ho sôsialista sy mpomba « kominista » aza ireo mpitarika.
- noho ny saranga nisy ireo mpitarika sy ny saranga niandaniany no nahatonga azy ho azom-panahy hizotra tamin’izany làlana izany ka ilay lafiny efa nampalemy ny tolona tamin’ny 1947 no nomeny vahana teo amin’ny fiasany.
Ny lafy ratsy nampalemy ny sarangan’ny mpikarama madinika teo amin’ny tantara no nolovain’ny mpitarika antoko sy sendikà taorian’ny 1947 ka na dia tsy nilefitra tamin’ny tolona niatrehany ny mpangoron-karena isan’andro aza ny sarangan’ny mpikarama madinika dia nahazo vahana ny sarangan’ny gasy ambony mpivarotra tanindrazana.
FANJAKANA MANAMASINA NY SARANGAN’NY MPIVAROTRA TANINDRAZANA
SENDIKÀ SY ANTOKO TSY MIATRIKA ADIN-TSARANGA
SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA NIVAKIVAKY TAMIN’NY ADIN’AKOHOLAHY
Izany sy izany no azo ilazana ny fandehan’ny tolon’ny sarangan’ny mpikarama madinika hatramin’ny nanjakan’ny PSD mandra-piongany.
Nahazo vahana kokoa ny sarangan’ny mpangoron-karena frantsay matanjaka ka afaka manova fomba fiasa taty amin’ny zanatany. Teren’ny tolom-piavotana manerana ireo zanatany rehetra ireo izy. Izay no nahatonga ny fahaleovantena 1960.
Tsy nisy antoko sy sendikà nahatarika ny adin-tsaranga ho amin’ny fanjakan’ny madinika anefa teto M/kara,. (Afaka niroso tamin’ny fananganana fanjakana maha-masi-mandidy ny mpangoron-karena vahiny teto amin’ny tany malagasy ny sarangan’ny gasy ambony mpivarotra tanindrazana.) Niseho ho malalaka kokoa noho ny herisetra sy jadona ary fanararaotana tamin’ny fanjanahantany ny fitondrana PSD. Nivoatra ohatra-ny lalàna nifehy ny asa (code du travail - 1962).. Izany hoe nitatra kokoa ny zon’ny mpiasa ary napetraky ny fanjakana mazava ny fepetra rehetra hamefena izany zo izany tsy ho tonga hatramin’ny fandravana ny hasina sy fahefan’ny mpangoron-karena. Tsy niseho ho mpanery mivantana ny sarangan’ny mpikarama teo amin’ny asany ny fanjakana. Malalaka ny firotsahany na fialany tsy hikarama… na dia mbola henjana foana aza ny fihazana izay tsy mahaloa ny hetrac isan-dahy ary ny fisamborana ireo tsy manana anton’asa, niezahan’ny mpangoron-karena narotsaka ho mpanelanelana ny manam-pahefana rehefa misy fifanolanana tamin’mpikarama madinika. Mpiasam-panjakana no MANDAMINA SY MAMPIHAVANA manao «conciliation » ny sarangan’ny mpikarama madinika amin’ny mpanarama, anisan’ny andraikitry ny Ministeran’ny-asa izany.
Na niseho ho malalaka kokoa toy izany aza anefa ny fanjakana sosialy demokraty tia voatery niditra mivantana tamin’ny fanapempoana sy ny famaizana ary ny fanerena ny mpikarama madinika hifolaka tamin’ny mpangoron-karena rehefa mafimafy ny fifanolanana. Mbola osa sy saozanina ihany mantsy ny fihariana nofehezin’ny mpangoron-karena nolovany tamin’ny mpanjanatany ka nila fanjakana mahery sy matanjaka hiaro azy. Toy izany no niseho tamin’ny fitokonam-ben’ny mpiasa mpanao siramamy tao amin’ny SOSUMAV 1964.
Azon’ny fanjakana nekena ny hijoroan’ny sendikà sy ny fitarihany fihetsiketsehana mitaky fampiharana ny lalàna, rehefa misy ny mpangoron-karena mandika lalàna. Matetika anefa moa miandany mazava loatra tamin’ny mpangoron-karena ny fanjakana ka noheverin’ireo mpanohitra nifaninana tamin’ny mpitondra fa tsy ampy ny « fahafahana» teto amin’ny firenena …..
Ny fahafahana hampihatra malalaka ny zo omen’ny mpangoron-karena vahiny ny sarangan’ny mpikarama madinika amin’ny alalan’ny «code du travail » sy ny fifidianana no tiany ho lazaina amin’izany
Azon’ny fanjakana nekena koa ny nandraisan’ny solontenana’ny sendikà anjara amin’ny famolavolana ny lalàna sasany mifehy ny asa sy ny fifampitondrana any an-toeram-piasana (conyention Collective).
Tsy azon’ny fanjakana noleferina kosa raha nanao ‘politika’ ny sarangan’ny mpikarama madinika. Voasoritra mazava tsara tamin’ny lalàna mifehy ny sendikà izany. Adivarotra poti-mofo sy tombotsoa madinidinika sy ady hampiharana ny lalanan’ny mpangoron-karena ihany no voafetra nataon’ny mpikarama madinika nahazo nanao fifidianana ara-dalana na ny antoko «mpanohitra » aza rehefa manaraka ny fepetra rehetra maha masi-mandidy ny mpivarotra tanindrazana. « Fanendrena ny olona omena fahefana hitondra ny tany sy ny fanjakana ny fifidianana ». Ny fototry ny fitondrana mihitsy anefa no miaro ny maha-masi-mandidy ny sarangan’ny mpivarotra tanindrazana ka miaro sy mitahiry ny tsy fitovian-tsaranga… » Anisan’ny nampitaraina ireo mpifaninana tamin’ny PSD ny fifidianana satria tsy voahaja ny fahafahana.
«Na malalaka toy inona aza ny fifidianana nefa tsy voaozongozona ary tsy azo ravana ny tsy fitovian-tsaranga efa misy dia voafatotra hanompo ihany ny sarangan’ny mpikarama madinika fa tsy afa-bela.
Izany no dikan’ny fifidianana teto amin’ny firenena .Nazava araka izany fa adiseza tamin’ny PSD no tena dikan’ny fifidianana tamin’izany vanim-potoana izany. Fahafahana na noheveren’ireo antoko mpifanandrina tamin’ny PSD azy raha toa ka tsy mangala-bato intsony ny PSD.
Famatoran-tena tsy hiatrika afa tsy fifidianana no nanohizan’ny «mpanohitra » ilay fitarihana-tolona tsy naha masi-mandidy ny sarangan’ny mpikarama madinika sady nanankina ny adin-tsaranga teto amin’ny firenena ho mpanampy sy mpanatevina ny tany ivelany.
Izany no endrika vaovaon’ny tolona manara-dalàna hatramin’ny 1958. Tsy teo amin’ny sehatry ny fitondrana ihany no nahitana izany fa hatrany anatin’ny tolon’ny mpiasa sy mpikarama madinika koa.
Ny sarangan’ny Gasy Ambony no tompon’ny laka sy masi-mandidy hatrany anaty sendikà. Mpanohana sy mpandatsa-bato ho an’ny antokony sy ny sendikàny no tena nilan’ny mpanao adiseza ny sarangan’ny mpikarama madinika tanaty fanjarian’asa dia nanjary very tamin’ny adin’akoholahy nifaninanan’ny sendikà rehefa mifidy delegué ny adin-tsaranga. Voasamatsamaka ary nifandrafy mihitsy aza ny samy mpiasa sy ny sarangan’ny mpikarama madinika noho izany adin’antoko sy ady sendikà izany.
Nahafintina tsara ny momba izany ny tenin’ny VOVONANA – III hoe :
« Ny sarangan’ny mpikarama madinika dia nijanona ho saranga fehezin’ny mpangoron-karena eo amin’ny fihariana sy ny fiaraha-monina ka mitaky ny heveriny ho rariny na asam-pitolomany fa tsy manana fahefana sy andraikitra »
Voaterin’ny tantara hiresaka saranga ihany ireo mpitarika sendikà sy ny antokom-pifidianana saingy natao kabarim-pifidianana sy resaka manidina ihany izany fa tsy nifantoka tamin’ny famakafakana ny tolona natrehina teto amin’ny firenena. Na ny teny nilazana ny adin-tsaranga aza dia tamin’ny teny manavia sy sarotra ho an’ny vahoaka.
Nihasarotra araka izany ny nisandratan’ny sarangan’ny mpikarama madinika ho masi-mandidy tanatin’ny antoko sy sendikà.
Nalaza tany ampita ny mpitarika fa tsy nahefa inona tamin’ny adin-tsaranga teto an-toerana.
Nanjary nahazo vahana teto amin’ny firenena ny fisamatsamahana ary ny tsy fitiavana antoko sy sendikà hatreo amin’ny 1971 - 1972 fa ady an-trano sy fandripandripaka, fivarontan-tolona ary fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka madinika no niainany azy. Ny fanariana ny adin-tsaranga ary ny fanarahana ny adiseza araky ny lalam-pifidianan’ny mpangoron-karena sy ny «code du travail » no anton’izany.
AFAKA HISANDRATRA HO MASI-MANDIDY AMIN’NY ASAM-PITOLOMAN’NY ANTOKOM-PIAVOTANA SY NY SENDIKÀ ARY ETO MADAGASIKARA NY SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA SATRIA TAFAORINA NY MFM
-o-o-o-o-o-o-o-o-o-o-o
Hatramin’ny 1958, matoa nisy fivondronana sy fiaraha-mientana indraindray tao amin’ny sarangan’ny mpikarama madinika (fitokonana lehibe), tsy dia avy amin’ireo mpitarika antoko sy sendikàm-pifidianana akory. Ny fifandonana’ireo sarabamben’ny mpiasa sy ny sarangan’ny mpikarama madinika mifanolana mivantana tamin’ny mpangoron-karena no nahatonga an’ireny.
Vahoaka tsy voafehiny no nitroatra ka may volon-tratra hatrany ireo mpitarika antoko sy sendikàm-pifidianana namonjy namono asam-pitolomana ary nifampiraharaha mivantana tamin’ny mpanarama. Anisan’ny nahamaimbo azy ireo sy nampihetry hasina azy tao amin’ny mpikarama madinika izany. Tanaty tolom-bahoaka ohatr’izany ary tanaty antoko sy sehatra ivelan’ireo antoko sy sendikà mamato-tena tsy nanao afa tsy fifidianana sy adiseza ireo no tsy maintsy niaren’ny tolom-piavotam-pirenena hifototra amin’ny adin-tsaranga indray. Tany amboalohany aza dia tany ivelan’ny tolona ankarihary sy neken’ny lalanan’ny mpivarotra tanindrazana mihitsy.
Nihanahazo vahana tamin’izany ny hevi-dehibe hoe : « manohitra ny impérialisma, manohitra ny fanjakan’ny mpivarotra tanindrazana, adi-tsaranga, vahoaka madinika. Nihamahazo vahana ny famakafakana ny tantaram-pirenena araka ny adin-tsaranga ary fanompanana ny teti-piavotana amin’ny adin-tsaranga ifanolanan’ny sarangan’ny mpikarama madinika sy ny gasy ambony mpivarotra tanindrazana kitro nifaharan’ny mpangoron-karena vahiny. Nanomboka nifantoka tamin’ny fanoherana ny imperialisma sy fihetsiketsehan’ny mpianatra, indrindra tamin’ny 1971.
Nitroatra nanao fihetsiketsehana mahery vaika nifandona tamin’ny fitondram-panjakana ny vahoka notarihin’ny antoko MONIMA tamin’ny Aprily 1971 rehefa nitsipaka ankarihary ny adisezan’nygasy ambony mpanao fifidianana hatramin’ny 1968-1969.
Nazava tamin’ny fitakiana nentin’ny tolom-bahoaka 1972:
(Foano ny didm-panandevozana, roahy ny tafika vahiny, fanagasiana sns..) fa ny fanjakana nofehezin’ny gasy ambony mpivarotra tanindrazana haha masi-mandidy ny mpangoroin-karena vahiny no fahavalo niombonana’ny vahoaka tia tanindrazana sy ny mpiasa ary ny mpikarama madinika. Io fanjakana io no naongany tamin’ny 13 mey 1972. Izao no azo marihina momba ny 13 mey 1972:
Avy amin’ny sendikà sy antoko samihafa ireo vahoaka ireo ary nisy tsy nanana antoko na sendikà
- Nazava taminy kosa ny fahavalo atrehina (izany hoe adin’ombalahy amotehana fanjakana maha masi-mandidy ny mpangoron-karena vahiny) dia resy ny fisamatsamahana nateraky ny ady madinika nanodinkodinana’ny Gasy Ambony ny tolona. Lasa ambony laharana indray ny fiavotam-pirenena ary tafa-sondrotra tamin’izany ny vahoaka.
- Norahonana sy nomelohin’ireo mpikambana, antoko ary sendikà nilavolefona tamin’ny PSD ny vahoaka tamin’izany. Fisedrana lehibe nampiharihary ny hadisoan’ireo antoko sy sendikà ireo ara-tantara iny vaim-potoana iny ary nampihena tokoa ny heriny sy ny hasiny teto amin’ny firenena.
- Teo ny fiezahan’ny fahavalo hamakivaky ny herim-bahoaka tamin’ny adim-poko (1972 — 1973), teo ny filofosan’ny gasy ambony ambaniandro ho lasa mpangoron-karena tera-tany, hamadika ny tolona hanjary fananganana fanjakana maha masi-mandidy ny sarangany (Ramanantsoa 1972 - 1975). Teo ny fisamborana mpitari-tolona ary famonoana ny Kolonely Ratsimandrava aza (11 febroary 75) ;
- Tsy afa-bela tamin’ny ady an-tranony sy tamin’ny herin’ny tolom-bahoaka anefa ireo saranga nitetika mbola hanangana fanjakana sy fihariana fehezin’ny mpangoron-karena teto Madagasikara.
- Nijoro ankarihary ny 27 desambra 1972 ny Antoko Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’ny Madinika ka afaka niha mafy orina sy nanao dingan-dava teto amin’ny firenena ny tolona hananganana fanjakana masi-mandiny amin’ny taniny sy fihariana tsy miankin-doha fehezin’ny sarangan’ny mpikarama madinika sy mpiasa tany.
- Voafaritra mazava tsara hatrany amin’ny fitsipika ifampifahezan’ny MFM, mbola nohafafisin’ny VOVONANA - III, ary indrindra indrindra nidaribary hatrany tamin’ny asam-pitolomana nitarihany ny vahoaka sy ny tantara nodiaviny hatramin’ny niorenanay fa : « Ny MFM sy ny Vahoaka Malagasy no tompon’ny Tolom-piavotana Malagasy ; koa araka izay olana atrehina manokana na miaraka amin’ny « hafa no itondrana ny tolona »
Manao asam-pitolomana eto Madagasikara ny MFM, ka noho izany dia nifototra hatrany « tamin’ny fisehoana-javatra sy jizotry ny tantara eto ny famaritana ny dingana andalovana sy ny fenitra tratrarina »
Na inona na inona fihenjanana ndiso tafahoatra nety ho niseho teo amin’ny mpitari-tolona, ary na teo aza ny hadisoana sasantsasany noho ny tsy fahazarana amin’ny ady ary noho ny MFM antoko Mpiavotana vaovao sty mbola nisy toa azy teto azo nianarana teto amin’ny firenena ; na teo koa aza ny tsy fahampian’ny fahalalana sy ny fahaizana teo amin’ny mpitari-tolona, indrindra ny sarangan’ny mpikarama madinika sy mpiasa tany, dia azo antoka tanteraka amin’ny foto-keviny sy ny fiasany ary ny fifamatorany hatrany amin’ny vahoaka miavo-tena ny fanatontosana ny foto-kevitry ny VOVONANA - III :
SARANGAN’NY MPIKARAMA MADINIKA, MASI-MANDIDY :
- AMIN’NY ASAM-PITOLOMAN’NY MFM
- SY ETO MADAGASIKARA.
Ny antoko MFM no Antoko mahavita mitarika ny tolom-piavotam-pirenena hatrany amin’ny fananganana fanjakan’ny madinika ary famongorana ny fototra iorenan’ny tsy fitovian-tsaranga eto Madagasikara.
J
J