Tsetsatsetsa momba ny fifidianana

      Tafatafa fohy niarahana tamin’Atoa Manandafy Rakotonirina Filohan’ny Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara (MFM) sady Mpanolo-tsaina manokan’ny Filoham-pirenena manodidina ny fifidianana.
    • Madagascar Tribune : Inona no azo ambara manodidina ny fifidianana amin’izao fotoana izao ?
    * Manandafy Rakotonirina : Amin’izao datin’andro izao ny « société civile », izany hoe ny CNOE sy ny FFKM izany, dia mieritreritra fa tokony hatao ny « Code électoral », tokony hatao haingana. Ary zavatra roa ngezabe no lazainy : voalohany dia ny « bulletin unique », ary faharoa ny CNEI. Ny mpanao politika koa mitaky an’io : io izao ny « Sénateurs » mangataka « session extraordinaire », dia ahoana ny ataon’ny Fanjakana mandà an’io ? Ialan’ny Fanjakana handeha hanao « vacances », dia ahoana ?. Sao dia mba tafiditra any amin’ny lalan-tery isika ary tokony mba handini-tena ihany ?
    • Amin’ny maha Mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena anao, afa-po ve ianao tamin’ny fitantanany ?
    * Ny maha Mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena ahy dia tsy ny hevitro izaho Manandafy Rakotonirina no entiko fa ny hevitry ny MFM. Ny faneken’ny MFM sy Ravalomanana dia ny « mandat-ny ». Dia rehefa vita ny « mandat-ny » dia tapitra koa ny « contrat ». Izay.

 Nangonin'i Razaka Oliva

 Madagascar Tribune 31/07/06