Ny maro an'isa tsy maintsy manjaka

RALAY

Ny maro an'isa tsy maintsy manjaka
Vahoaka madinika tompon'ny laka
Efa nambarako taminao hoy aho ny momba an'izany

Vakiniedina no sola vantony
Ka i Antananarivo no tsara trano
Resaka tsy meva ny amin'io
Ampirimo ho lasa angano
Tsisy hitatatra ho an-drain'Ilezafy
'ngandriana be kibo no madinik'avy

Ny maro an'isa tsy maintsy manjaka
Vahoaka madinika tompon'ny laka
Efa nambarako taminao hoy aho ny momba an'izany

Mitohy ary mazana ny tolona

Hisiky ny herim-po ny fokonolona

Hijoro hifehy ny toeram-piasana

Hampitovy saranga ny ao an-tanàna

Dikany izany hifefy fanjakana

Daka ty ry nama fa tsy tana

Ny manan-tsofina aoka handre

Veloma ny didiko fe lehibe

Manjakazaiky i Madagasikara

Izany no takian’ny tantara

Ny rafi-pangeja tsy hamarasisa

Ka nanjakazaka ny vitsy an’isa

Hitady hisafo helika ve ny kary

Tsy mandeha lalana izany ry tary

Le MFM   Madagascar en 2 mots Album Photos Votre opinion Page d'accueil