Sareraka  (Yvon Randriazanakolona) 

RY VALALABEMANDRY !

Ry Valalabemandry a !...

Voriana ny vahoaka fa hoe foara...
Zavatra tian'ny tantsaha moa ny foara,
satria eo izy no mitady izay tiany sy izay mba iriany...

Tonga ilay rangahy sefodevilazy...
"Vatan-dehilahy rehetra
feno valo ambin'ny folo taona no miakatra, hoy izy,
samia mitondra vola ariary zato
hanatevenana ny volan'ny foara !"...

Tonga 'lay rangahy... hafahafa...
midina amin'ny helikôpitera :
"Inona no tsy misy eto aminareo, hoy izy, f'efa nitondra aho...
Inona no tsy anananareo, fa nitondra izahay.
Misaotra anareo be dia be, hoy izy namarana ny kabariny...
Mandehàna mody, Allez mandeha !"

Dia tonga 'lay rangahy mpanao "gala de chant"...
May androany ny "mille cinq cent francs"...
"Tongava maro, hoy izy,
ny adidy ho vita ary ny aretina ho azo...
fa ny valala hono tsy mandry indroa ambavahady !"...

Valala...
Valalabemandry ialahy...
Valalabemandry ialahy...
Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...

Zefania sy Maria taloha dia nanatona ombiasy...
Izay izany no mba noeritreretiny,
fa ho entina miala amin'ny maha-mafy ady...
Ny ombiasy moa mila vola...
Mahay mampandry kaozy...
Ny harena, fiadanana, hasambarana
"assurés" fa raoziraozy...
Dia hoe : "Foa ! Foa ! Sikidy ! Sikidy !...
As de trèfle... As de carreau... As de coeur... As de pique...
Tsara rizikinao Tale !... Tsara vintana ianao...
fa mandoava valon-jato ê... ny harenanao tsy hiato...
Inty ny Voampoa... Inty ny Vakamiharana...
Inty ny Tongarivo... Inty ny Hazomanga...
Inty ny Tsangan'olona... Inty ny Mabizo...
Inty ny Voan-kininina...
Tandremo sao mitolona raha te ho olomanga !...
Fadio ny tongolo !... Fadio ny tsaramaso !...
Ireo aody ireo ataovy ambany fandriana...
ataovy andrimaso...

Valala...
Valalabemandry ialahy...
Valalabemandry ialahy...
Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...

Zefania sy Maria dia tsy afa-po...
Dia nanatona Mômpoera...
Dia nanainga fivavahana...
fa te hanan-karena hono
mihoatra an-dRatrema...
Mômpoera dia naniraka :
"Fa isaky ny hariva, aza hadino ny manao litania..."
Zefania mpitarika... Mpanoina Ramaria...
Masina Misely a !... Arakanjely...
Masindahy Gabiriely !... Masindahy Rafaely !...
Masindahy Marisely !... Masindahy Semisely !...
Madimaozely avy any Isiraely...
mba 'meo baranjely... Masimbavy Baranjely !...

Valala...
Valalabemandry ialahy...
Valalabemandry ialahy...
Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...

Zefania sy Maria tsy afa-po...
Dia nanatona Fanjakàna...
Niankohankohaka tokoa...
"Fanjakàna malala ô, mba hanaovy asa soa...
fa te hana-karena mihoatra an-dRatrema...
Omeo Trakitera, Bilidôzera, Sekiretera...
Omeo Lenjeniera, Pôrifesera, Vôterinera,
Revôlisiônera, "Johnny Walker", Sôkôlà "Robert"...
Ampio Fata-pera,
mba hanan-karena mihoatra an-dRatrema..."

Valala...
Valalabemandry ialahy...
Valalabemandry ialahy...
Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...

Zefania sy Maria tsy afa-po...
Dia nanatona Fanjakàna...
Tsy Zefania irery, fa izy be dia be...
Izay rehetra mety ho Zefa...
dia nanary voampoa, nanary vakamiharana...
homana tongolo dia homan-tsaramaso...
hifehy fihariana, hifehy fanjakàna...
Izay indray izao no maresaka eny an-tanàna..
Fa ialahy kosa ho'aho ry Valalabemandy,
rahoviana ihany vao ho Valalabemifoha ?

Valala...
Valalabemandry ialahy...
Valalabemandry ialahy...
Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...

= = = = = = = = = = =

AZA MISY MITENITENY !


Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby amin'ny andro migaina,
Omaly nijaly, anio mitaraina...
Manao azafady amin'ireo manan-tsaina
F'ilay Gasikara no saika holazaina...

Aza misy miteniteny ! (1n-3)

Saretin'omby mandady mihisatra,
Lasana foana izy na tsy mandrifatra...
Tratry ny mafy ny emperialisita,
Voahozongozona ka nibolisatra...
Fa tsy hiala izy na hankasitraka
Ary ny gadra no mody nafitsaka
Fa dia soloiny kofehy fisapisaka,
Sarintsaromany lainga sy fitaka,
Izy eo ihany fa mody mikisaka
Indray andro any izy mbola ho voakipaka...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby mitondra kapoaka,
Alina maizina, andro mipoaka...
Ireo kary teo efa samy voaroaka
Nazerazeran'ireto vahoaka
Fa ny mpangeja dia ê misafoaka,
Mbola mitetika foana hifoaka
Vola sy harena, vary sy laoka...
Voalavo kosa no 'reto navoaka
Nasolo ireo kary izay lasa nitsoaka...
"Fahaleovan-tena efa azo, Vahoaka,
Revôlisiôna efa vita fa aoka,
Antsika ny tany samia manamboatra"...
Mivadika anefa : "Midira Ranaotra !"
Mantsy 'reo voamba 'zay mpanararaotra,
Ireo 'perialisita zatra mpandraotra,
Ireo mpandroba tsy menatra loatra,
Mbola ahita Vahoaka mitroatra, vao...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby mandalo miserana,
Lasa mandroso fa tsy azo ferana...
Feno mpangeja izay efa tsy hanerana :
Io La-Frantsa manao bodo ngerona,
Miady mafy mitàna ny toerany ;
Bekintana liona miterona,
Mitady hitsabaka anaty "sompierana" ;
Japôney dinty miraikitra,
Io Afridisida manaikitra,
Io Rainiboto manao tanam-poza,
Io Italia fa manao rivo-doza ;
Izy rehetra dia samy mamely,
Hatramin'ireo any Isiraely...
Avela hanao sy handrava tantely,
Fa indray andro any dia ho hitany kely...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby mankany aminay,
Midina kely dia miakatra indray :
Frantsa malala 'lay reny sy ray,
Tompon'ny laka hatramin'izay...
Ny banky vaventy sy 'reo magazay,
Ireo kaompania efa lava tsinay :
Paribas, SOCOA, Pechiney,
Zato amby arivo fa tsy anankiray,
Faly hitatitra mandrak'izay
Ny enta-bokatra sy vola may...
Frantsay a, Frantsay...
Mahery mandrapaka sahala amin'ny voay,
Latsaka ambany 'zay mamon-divay...
Avelao hanao fa ho main'ny sakay,
Adaladala ka tsy mety fay,
mbola hifanena amin'ny mpaka kitay, vao...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby mandeha tsy miera ,
Mihilangilana fa tsy mianjera...
Etazonia dia mba hoe katsera,
Fa tigira be mangorera...
Izay tsaratsara dia io hangalariny,
Raofiny fotsiny lasa mankàny :
Ny "pétrole" ambanin'ny tany,
Viravirainy sahala amin'izany,
Ny tena marary raha tonga mankàny,
Tsy manan-draharaha fa hangorona ihany...
'Merika a, 'Merika...
Imerintsiatosika mody gasiana,
Nefa any Diego Garcia hitobiana,
Vokatr'izany dia fampahoriana,
Indray andro any dia mbola asaina...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby amin'ny valam-parihy,
Mandeha mankary atsinanana ary...
Japôney avy koa mankaty,
Na trondro matavy na trondro mahia
Raofiny an-tsambo dia "Andao lasa 'ty",
Ary dia ataony amin'ilay boaty vy,
Hamidiny lafo atsia sy ary...
Japôney a, Japôney...
Alaina na hazo na hena na vorona,
Dia hitoerany any Namorona,
Mpanjono botry tsy mifaditrovana,
Indray andro any izy ho sendra ny trozona...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby manani-piakarana,
Anio izy lavo, rahampitso tafarina...
Afrikadisida a, Afrikadisida...
Mody vahana ny fifamatorana,
Nefa eo ihany fa mbola mangorona...
Ireo vatosoa sy diamondra nahorona,
Ny any Narinda ataony hangalarana,
Izy efa zatra mpanindry ny marina io,
Mbola ho fafazana tadivavarana, ary...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'ombin'ilay Gasikara,
Ho avy ny andron'ny dimby sy fara...
Aza variana mijery bazary
Na taraikiraiky ka diso "départ",
Fantapantaro k'aloha izay mba tsara
Sao dia halevon'itony tantara
vao misandrahaka vaky barara,
Ka ny kabary izay tsara fiafàra
Tsy hijanonako sahala amin'ny gara, dia :
"Aza miala amin'ny Besinimaro !"...

Tsy maintsy mandresy ny Besinimaro ! (in-3)
Foa !...


= = = = = = = = = = = = = = = = = = = = = = =

"IZAY MAHASAHY MANARAHA..."
("Faneva mena", hiran'Itpkl. RALAY "Farara")

= = = = = = = = = = = = = = = = = = = = = = =